Soratononina

Avy amin'i Wikipedia

Ny soratononina na sora-tononina dia ny fandraisana an-tsoratra ny lahatsoratra am-bava: ny olona mampanao sora-tononina dia miteny ary ny iray hafa mandray ilay sora-tononina dia mandfray an-tsoratra ny teny arakaraka izay anononana azy. Amin' ny mpitenin' ny fiteny maro, ny sora-tononina dia ampiasaina ho fitsapana ny fahaizana ny fiteny. Faharoa amin' ny fampianarana ny fahaiza-miteny ny fampiasana sora-tononina izay nampiasaina mba hampahafantarana ny mpianatra ny asa fanoratana, ary hampidirana ny fampianarana momba ny fitondran-tena.