Sofina
Fiseho

Ny sofina dia taovam-pandrenesana izay mandray sy manamafy ny feo azony. Amin'ny biby mampinono dia io koa no ahafahany maha marin-toerana ny vatany raha mijoroany, mipetraka, mandeha, sns, ka tsy mampianjera azy. Ao amin'ny biby mampinono dia mazàna ny sofina dia misy fizaràna telo: ny sofina ivelany, ny sofina afovoany ary ny sofina anatiny.