Hankany amin'ny vontoatiny

Skandiôma

Avy amin'i Wikipedia
Skandiôma

Ny skandiôma dia singa simika manana laharana atômika 21 sy eva Sc (scandium). Izy io dia metaly tetezamita ary miaraka amin' ny itriôma sy ny vondron' ny lantanida, izay metalin' ny tany hamatra. Ny skandiôma amin' ny ankapobeny dia hita amin' ny habetsahana kely ao amin' ny tany hamatra, nefa singa manan-danja amin' ny akora mineraly tsy fahita firy, indrindra fa ireo izay hita tany Skandinavia (izay niavian' ny anarany). Amin' ny fepetra manara-penitry ny mari-pana sy ny tsindry, ny vatana tsotran' ny skandiôma dia metaly malefaka, fotsy mivolom-bolafotsy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]