Aller au contenu

Sigara

Avy amin'i Wikipedia
Sigara

Ny sigara dia varingarina taratasy, mirefy santimetatra vitsivitsy ny lavany, feno akora azo arehitra, matetika ravim-paraky voatetika sy voahodina, ary koa ny akora fanampiny. Izy io dia azo amboarina amin' ny tanana na amboarina betsaka amin' ny indostria, ary mety misy sivana amin' ny tendrony iray. Vita amin' ny plastika ny sivana. Doroana ny tendron' ny sigara tsy misy sivana mba hifohana ny setroka avoakany. Mety tsy misy paraky mihitsy indraindray ny sigara, na misy vokatra avy amin' ny zavamaniry hafa, anisan' izany ny fanafody psikôtrôpy hafa toy ny rongony na jirofo.