Aller au contenu

Siansa arak' endrika

Avy amin'i Wikipedia

Ny siansa arak' endrika na siansa lôjika sy arak' endrika dia vondrona siansa mikaroka - araka ny fitsipika fanatsoahan-kevitra, araka ny fitsipiky ny fandrafetana sy fampisehoana porofo, araka ny rafitr' ankina - ny taranja mifandraika amin' ny rafitra ara-kevitra fotsiny voafaritra amin' ny alalan' ny rafitr' endrika, toy ny lôjika, ny matematika, ny statistika, ny siansa infôrmatika teôrika, ny faharanitan-tsaina voatr' olombelona, teôrian' ny fampahalalam-baovao, ny teôrian' ny lalao, ny teôrian' ny rafitra, ny teôrian' ny fanapahan-kevitra ary ny haiteny teôrika.

Mikatsaka ny mampiavaka ny rafitra fizika sy ny rafitra ara-piarahamonina ny siansan' ny zavaboary sy ny siansan' ny fiarahamonina, amin' ny fampiasana fomba ara-panandramana, fa ny siansa arak' endrika kosa dia mampiasa fitaovana ara-piteny mifandraika amin' ny famaritana ny rafitra saro-takarina voafaritry ny rafitra arak' endrika. Manampy ny siansan' ny zavaboary sy ny siansan' ny fiarahamonina ny siansa arak' endrika amin' ny fanomezana fampahalalana momba ny rafitra ampiasaina hamaritana ny tontolo fizika, sy ny zavatra azo atao momba azy ireo.