Hankany amin'ny vontoatiny

Samuel Ratany

Avy amin'i Wikipedia

I Samuel Ratany, fantatra amin’ny solon’anarana (1901–1926), dia poeta sy mpanoratra malagasy nanan-kaja, niavaka tamin’ny fampitahana ny soratra malagasy amin’ny aingam-panahy avy amin’ny fomba ara-pomba nentim-paharazana.

Ny fiainany

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiankohonana

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin’ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo i Samuel Ratany. Zana-dRatsimamakitany (Ratany no niantsoana azy), komandy mpampandry tany sy mpampianatra tao amin’ny Mission Protestante Française (MPF) tao Ambatobevanja sy Ramariavero. Nanambady an-dRasoazananohatra tamin'ny taona 1926, ary niteraka ny zanany vavy tokana, atao hoe Rasoaveromanana. Maty tamin' ny 10 oktobra 1926 i Samuel Ratany, ary nalevina ao Lazaina Avaradrano Antananarivo.

Ny fianarana nataony

[hanova | hanova ny fango]
  • Ambatobevanja: toerana nanombohany nianatra.
  • Paul-Minault Ambohijatovo: nanohizany nianatra ary nanombohany nandalina ny haisoratra.
  • Tononkalo sy soratra: Andrianjafitrimo anadahin-dreniny no nikolokolo azy.
  • Hira sy zavamaneno: ny rainy no nampianatra azy.
  • Finoana kristianina no nitaizana azy: protestanta.

Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranombarotra “Vassiliou” Antananarivo izy taorian'ny fahavitany ny fianarana i Samuel Ratany.

Ny maha-mpanoratra azy

[hanova | hanova ny fango]

Vao dimy ambin' ny folo taona monja dia i Samuel Ratany efa nanomboka nanoratra ary sarotiny tokoa, ka nisy niverenany intelo, inefatra ny fandrafetana sy faniovana ny asa soratra navoakany. Tanicus no nataony solon'anarany. Hanandratra ny literatiora malagasy no zava-kendreny.

Tononkalo

[hanova | hanova ny fango]
  • “Izay ho feoko eo am-pialana aina”
  • “Irery teo akaikin’ny fasana”
  • “Embona” ( natolony ho an-dRabearivelo)
  • “Mba rotsirotsio”
  • “Tafaverina”
  • “Elégie de minuit” (natolony ho an’i Jean Joseph Rabearivelo)
  • “In memoriam”(natolony ho an’i Albert Ranaivo)
  • “Femme”

Sombin-tantara

[hanova | hanova ny fango]
  • Imbalanony
  • Nandevina
  • Vita ho azy

Sombin'eritreritra

[hanova | hanova ny fango]

Mitovitovy endrika amin’ny ohapitenenana sy ohabolana. Ohatra: “Ranovelona tsy miditra any am-pasana ny Ranomaso nefa vavolombelon’ny maha tany ny tany”.

  • Hono, ray tsiriry
  • Fanaovam-beloma ny maty.

Gazety sy gazetiboky nanoratany

[hanova | hanova ny fango]
  • Tanamasoandro
  • Akon’Iarivo
  • Journal de Madagascar
  • Ny Mpandinika
  • Fandrosoam-baovao
  • Tsara hafatra
  • Sakaizan’ny tanora
  • Telegrafy
  • Mifoha i Madagasikara
  • Fehizoro
  • Masoandro

Ny mpanoratra sakaizany

[hanova | hanova ny fango]

Rabearivelo no poeta nifanerasera sy nifankatia taminy, ka anisan' izy ireo: Ny Avana, Ignace Ratsimbazafy, Fredy Rajaofera, Meteora, Joseph Rajaonah, Eliza Feda, Rafanoharana, Jean Narivony, Lusio. B, Rodlish.

Tara-kevitra ao anaty asa sorany

[hanova | hanova ny fango]

Vanim-potoana fiforetana anaty no nahitana ny asany izay ahitana ireto tara-kevitra ireto:

  • ny sorisorin-tsaina,
  • ny alahelo tsy fanta-piaviana
  • ny fikaloana ny zavaboary
  • ny lasa sy ny fahazazana
  • ny fahafatesana sy ny fasana
  • ny embona sy hanina
  • ny fahadisoam-panantenana
  • ny fahakambotiana
  • ny fasana

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano azo anovozana

[hanova | hanova ny fango]