Sabakisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny sabakisma dia ny finoana sy ny fanao ara-pivavahan' ny Sabaky ao amin' ny tany iadiana ao avaratr' i Iràka. Ny ankamaroan' ny Sabaky dia mihevitra ny tenany ho Miozolmana siita, nefa ny sasany mihevi-tena no Sonita. Na dia izany aza dia tsy sahala amin' ny silamo ny finoany sy ny fombafombany sady manana toetra mampiavaka azy amin' ireo vahoaka miozolmana mpifanolo-bodirindrina aminy. Na eo aza izany dia manao fivahiniana masina any amin' ireo tanàna masina siita toa an' i Najaf sy i Karbala izy ireo sady manaraka fampianarana maro avy amin' ny siisma. Heverina ho isan' ny fivavahana abrahamika ny sabakisma.

Manakambana singa avy amin' ny sofisma amin' ny fivoasana sabaky ny amin' ny "fisian' Andriamanitra marina" ny sabakisma. Araka ny Sabaky, izany fisiana marina izany dia misolo ny fivosana ara-bakitenin' ny Kor'any, dia ny Sar'ia izany. Amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny "Pir" no ahazoan' ny Sabaky ny fisian' Andriamanitra marina. Ny firafitr' izany fifandraisana misy mpanelnelana izany dia sahala amin' ny an' ny iarsanisma.

Ny Buyruk na Kitab al-Managib ("Bokin' ny asa tsara atao ohatra") izay voasoratra amin' ny Torkômàna no boky forotra ao amin' ny sabakisma. Ny tononkalon' i Ismal koa dia heverin' ny Sabaky ho voatsilon' Andriamanitra, ka manonona ny tononkalon' i Ismail izy ireo mandritra ny fivoriam-pivavahana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]