Ry Tanindrazanay malala ô

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ry Tanindrazanay malala ô! no hiram-pirenena malagasy. Nosoratan'ny Mpitandrina Rahajason ny tonony ary noforonin'i Norbert Raharisoa ny feony.

Tonony[hanova | hanova ny fango]

Toa izao ny tonony :

Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Fiverenana

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.

Fiverenana

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.

Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao,
Ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.

Fiverenana

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! sambatra tokoa izahay.