Raymond de Saint-Gilles

Avy amin'i Wikipedia
Raymond IV de Toulouse

I Raymond de Saint-Gilles na Raymond IV de Toulouse dia kôntan' i Saint-Gilles (1060-1105), diokan' i Narbonne, markîn' i Gothie, kôntan' i Rouergue (1065-1105), markîn' i Provence (manodidina ny 1085-1105) ary kôntan' i Toulouse (1094-1105). Iray amin' ny mpitarika ny Kroazada voalohany tamin' ny taona 1096 ka hatramin' ny 1099. Kôntan' i Tripoli izy tamin' ny taona 1102 hatramin' ny 1105, izay nitondrany ny anarana hoe Raymond I de Tripoli. Nandany dimy taona farany teo amin' ny fiainany izy nanangana ny kôntean' i Tripoli any amin' ny faritra Atsinanana Akaiky.