Ranoka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ranon-javatra)

Ny ranoka dia tsiranoka tsy hay giazina izay mifanaraka amin' ny endrily ny zavatra miaty azy nefa mitazona hadiriny tsy miankina amin' ny tsindry. Araka izany, izy dia iray amin' ireo toetra fototra efatra (ny hafa dia ny vainga, ny etona ary ny plasma), ary izy no toetra tokana manana hadiry voafaritra fa tsy misy endrika raikitra. Ny ranoka dia voaforon' ny poti-javatra kely mihetsiketsika, toy ny atôma, atambatry ny rohy mampifamatotra ny môlekiola. Toy ny etona dia afaka mikoriana ny ranoka ary maka ny endriky ny zavatra miaty azy. Ny ankabeazan' ny ranoka dia manohitra ny fangizana, na dia mety ho voageja aza ny hafa. Tsy toy ny etona, ny ranoka dia tsy miparitaka hameno ny toerana rehetra ao anaty fitoeran-javatra iray, ary mitazona hakitroka tsy miovaova. Ny fananana miavaka amin' ny ranoka dia ny zitina amin' ny velarana ambony, mitarika amin' ny hamandoana. Ny rano, hatreto, no ranoka fantatra indrintra eto an-tany.