Ramsesy III

Avy amin'i Wikipedia
Lohan' ny saribongan' i Ramsesy III

I Ramsesy III no mpanjaka lehibe (faraôna) farany amin' ny Empira Vaovao tany Ejipta, tao amin' ny dinastia faha-20, tamin' ny Andro Taloha. Nandritra ny fotoana nanjakany, izay maharitra telopolo taona mahery kely, dia tsy mitsahatra niady amin’ ny kolikoly namely ny firenena ny mpitondra; tsy maintsy mandroaka ny Vahoakan' ny Ranomasina koa izy, dia ireo firenena mitambatra nanafika azy. Nanjaka teo amin' ny 1186 ka hatramin' ny 1154 tal. J.K. i Ramsesy III, izay lazain' ny tantara (Harris papyrus) fa naharitra 31 taona sy 41 andro.

Atao hoe Ramses Usermaatre-Meryamon izy, izay midika hoe "teraka avy amin' i Râ, mahery ny fahamarinan' i Rê", "ankasitrahan' i Amôna")