Rababany Christophe

Avy amin'i Wikipedia

Rababany Michel Christophe dia mpikatroka Kick Boxing malagasy. Nahazo tompondaka lefitra (vice-champion) eran-tany tamin'io taranja io izy tamin'ny sokajy 63kg tamin'ny taona 2005.

Tamin'ny 03 Martsa 2015 dia niharan'ny lozam-pifamoivoizana Rababany. Voadonan'ny fiarabe teny amin'ny by-pass izy raha nitaingina moto scooter ka tsy maintsy nodidiana ny taolan-damosiny. Vokatr'izany dia mety tsy ho afaka hiakatra ring intsony Rababany.