Polandball

Avy amin'i Wikipedia

Polandball, izay fantatra amin'ny anarana hafa countryball (baolim-pirenena), dia karazana meme amboarin'ny mpiampiasa ny aterineto izay avy ao amin'ny sokajy /int/ ny petra-tsary alemàna Krautchan.net tamin'ny faramparan'ny taona 2009. Ny countryball dia maneho baolina miloko ny saim-pirenena, saim-paritra na sain'ny fikambanana iraisam-pirenena (Firenena mikambana, Vondrona Eoropeana).

Ny Countryball dia natao ho fanehoana mampiomehy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Fiaviana[hanova | hanova ny fango]

Mihidy ny seranana (anglisy: Ports closed) Avy amin'ny lalao Pandemic 2, izay nampiana tsikera fanarabiana ny fiovan'ny toe-tany ary ny fiantraikany amin'ny nosin'i Pasifika

Manana ny fiaviany amin'ny "ady" mampifaninana ny mpampiasa aterineto poloney amin'ny firenena hafa eo amin'ny drawball.com ny Polandball. Ny tranonkala drawball.com dia manome taratasy virtoaly hahafahan'ireo mpampiasa sy mpitsidika manao kisarisarin'ny zavatra izay tiany, ary koa hahafahana manova ny sarin'ny hafa.

Eo amin'ny aterineto poloney kosa dia nipoitra ny hevitra fanaovana ny sarin'ny sain'i Polonia, ary poloney isaina amin'ny arivo no nifanaraka niasa ary nanao drawball mitondra loko fotsy ambony ary mena ambany. "Polska" (Polonia) no soratra eo ampivoan'ilay baolina. Niaraka tamin'i 4chan, norakofana svastika ngeza be ilay baolina.[1][2]

I Krautchan.net dia fametrahan-tsary alemàna ; ampiasain'ny mpiteny anglisy matetika anefa ny baoritra /INT/. Mpampiasa britanika mitondra ny anarana Falco eo amin'i /INT/ no heverina fa olona namorona ilay Polandball ny taona 2009. Paint no nampiasainy. Anglisy tsy madiorano no nampiasaina. Taty aoriana moa dia ny rosiana no tena mandray anjara amin'io Polandball io.[1][3][4]

Tema[hanova | hanova ny fango]

Ny fanombohan'ny Polandball, dia ny fanehoana an'i Polonia, ny tantarany, ary ny fifandraisany amin'ireo firenena vahiny, ary koa ny stereotype,[3][5], indrindra indrindra ny megalomania ary ny maro sosom-pirenena (complexe) . Ny fiteny ampiasaina amin'ny countryball dia teny anglisy tsy madio, ary ny teny ampiasaina eo amin'i Aterineto.

Misy Polandball mampiseho ny tsifahafahan'ny poloney mandeha eny amin'ny habakabaka ; ary anisan'ny polandball malaza indrindra ny tantaran'ny vaton-kabakabaka lehibe mandona an'ny Tany : izay mahatonga ireo firenena izay afaka mandeha eny amin'ny habakabaka miala amin'ny tany. Amin'ny faran'ilay sary, i Polonia, izay tsy afaka mandeha any amin'ny habakabaka, dia milaza "Poland cannot into space." ("Tsy afaka mandeha eny amin'ny habakabaka i Polonia"). Teo amin'izay no namaranan'ny rosiana ny valintenin'ilay fanontaniana hoe iza no firenena matanjaka amin'i Polonia sy Rosia.[1][3][5].

Eo amina polandball hafa ihany oa dia ahitana an'i Polonia milaza fa "Tamin'izareo nandresy an'i Rosia ary ny tiorka, izy no firenena lehibe indrindra teto an-tany... ary... ", izay mitondra ireo countryball niomehy.[1][2][6]

Countryball hafa[hanova | hanova ny fango]

Britaina amin'i Polandball

Mety ahitana sary mikasika ny firenena maro ihany koa ny Polandball ; ka na dia tsy misy an'i Polonia aza ao amin'ilay sary, dia Polandball foana no iantsoana ireo tantara an-tsary ireo[1]. Ankoatry ny firenena, misy koa ireo baolina ho an'ny faritra mizaka-tena amerikanina, Katalonia, Siberia, Baviera[4] ary faritra hafa. I Singapaoro indray dia manana endrika telolafy, ary manana anarana Tringapore ; Israely indray dia manana endrika goba lehibe; i Kazakstana, manana endrika brika, ary britaina mitondra satroka ary mitondra monocle[7].

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 1,1 1,2 1,3 et 1,4 Orliński, Wojciech (16 January 2010). "Wyniosłe lol zaborców, czyli Polandball" (in Polish). Gazeta Wyborcza. http://wyborcza.pl/1,86116,7462232,Wyniosle_lol_zaborcow__czyli_Polandball.html. Retrieved 25 March 2012. 
  2. 2,0 et 2,1 Zapałowski, Radosław (15 February 2010). "Znowu lecą z nami w... kulki" (in Polish). Cooltura. Archived from the original on 2014-08-05. https://www.webcitation.org/6Rat4O7DW?url=http://www.elondyn.co.uk/newsy,wpis,7731. Retrieved 22 March 2012. 
  3. 3,0 3,1 et 3,2 Kapiszewski, Kuba (13/2010). "Fenomem - Polska nie umieć kosmos" (in Polish). Przegląd. Archived from the original on 2014-11-03. https://web.archive.org/web/20141103023207/http://www.przeglad-tygodnik.pl/pl/artykul/fenomem. Retrieved 26 March 2012. 
  4. 4,0 et 4,1 "Polandball". Knowyourmeme. Retrieved 26 March 2012. {{cite web}}: Check date values in: |accessdate= (help); line feed character in |accessdate= at position 3 (help)
  5. 5,0 et 5,1 Cegielski, Tomek (12 April 2011). "MEMY. Legendy Internetu" (in Polish). Hiro.pl. Archived from the original on 2011-04-15. https://web.archive.org/web/20110415014502/http://hiro.pl/magazyn/magazyn_zjawiska/memy.html. Retrieved 24 March 2012. 
  6. "Polandball cartoon". Unknown. Unknown. Retrieved 26 March 2012. {{cite web}}: Check date values in: |date= (help)
  7. "Int" (in Russian). Lurkmore.to. 26 December 2011. Archived from the original on 2021-04-21. Retrieved 27 March 2012.{{cite web}}: CS1 maint: unrecognized language (link)

External links[hanova | hanova ny fango]