Hankany amin'ny vontoatiny

Pisa

Avy amin'i Wikipedia

43°43′N 10°24′E / 43.717°N 10.400°E / 43.717; 10.400

Pisa
Velarantany185 km2
Haavo
Isan'ny mponina89,002
Ben'ny tanàna
Firenena Italia
Fanjakana
Faritany
Faritra Toskana
Tanàna mifanolo-bodirindrinaPisa
I Pisa

I Pise dia tanàna italiana misy mponina 90 000 eo ho eo, renivohitry ny faritany mitovy anarana aminy ao  Toskana, eo amoron' ny ony Arno. Atao hoe Pisa izy amin' ny teny italiana.

Tilikambon' i Pisa

Tanàna seranan-tsambo manan-danja hatramin' ny fahagola talohan' ny Rômana i Pisa izay nanangana tanàna-fanjakana tamin' ny Andro Antenatenany, ny Repoblika' i Pisa, izay iray amin' ireo repoblika an-dranomasina matanjaka indrindra tany Italia nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taonjato faha-13 talohan' ny naharesy an' i Genova tamin' izany ary natelin' ny Repoblikan' i Firenze. Taorian' izany dia mitazona ny fitaomana ara-kolontsaina sasany izy.

Malaza eran-tany izy io, indrindra fa noho ny tilikambo mitongilana naorina teo akaikin' ny katedraliny.