Ontario
Ny Ontario dia faritany kanadianina, izy no be olona indrindra any Kanada. Any ampovoany atsinanan'i Kanada no misy azy. Ny renivohiny dia Toronto, io koa no tanàna ngeza indrindra any Kanada. Any Ontario koa no misy an'i Ottawa, renivohitr'i Kanada. Miisa 12 891 787 ny Ontarianina ary ny velarantaniny dia misy 1 076 395 km2. Avy amin'ny fiteny irokoaianina io anarana io sady midika hoe "Rano tsara" ilay anarana.
Jeografia
[hanova | hanova ny fango]Ny sisintan'i Ontario dia ny Hoalan'i Hudson any avaratra, ny faritanin'i Quebec any atsinanana, i Manitoba any andrefana, i Minnesota, i Michigan, i Ohio, i Pennsylvanie, ary i New York any atsimo. Ao amin'ny Farihibe (Great Lakes) no misy ny ankabiazan'ny sisintany manasaraka an'i Ontario amin'ny faritany mizaka tena amerikana. Ny anaran'ny farihy ao anatin'ny farihy be dia Farihy Superior, ny farihy Huron (ao koa ny hoala Jeorjiania), le farihy Erie ary ny farihin'i Ontario, avy amin'ny farihin'i Ontario ny anaran'ny faritan'i Ontario.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ((fr)) Gouvernement de l'Ontario
- ((fr)) Site touristique officiel de l'Ontario Archived Oktobra 26, 2009 at the Wayback Machine
- ((en)) Photos de nature d'Ontario Archived Febroary 24, 2007 at the Wayback Machine
- ((fr)) Actualités de l'Ontario sur Radio-Canada Archived Martsa 24, 2010 at the Wayback Machine