Onja fohy

Avy amin'i Wikipedia

Ny onjam-peo amin'ny onja fohy dia fampitana fampahalalana amin'ny alalan'ny hatetik'onja 1,6 hatramin'ny 30 MHz, izay eo ambonin'ny onja afovoany. Ny onja fohy dia ampiasaina amin'ny fampitana avy lavitra amin'ny alalan'ny onjan-danitra izay mampiasa ny soson-drivotry ny tany ho toa fitaratra ho an'ireo onja.[1] Ampiasaina amin'ny fampielezam-peo ny onja fohy ary koa amin'ny fifandraisan'ny sambo ary fiaramanidina, na koa amin'ny fifandraisana amin'ny toerana tsy takatry ny tambajotra pinday na tsy manana telefaona an-tariby. Azo ampiasaina amin'ny fanabeazana na ho an'ny famonjena ny onja fohy.

Fanokanana hatetik'onja[hanova | hanova ny fango]

Nanokana valan-katetik'onja ho an'ireo sampan-draharaha maro samihafa ny Zaikabe Erantanin'ny Fifandraisana amin'ny Onja (World Radiocommunication Conference, WRC) miaraka amin'ny Vondrom-pifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (International Telecommunication Union, ITC). Tamin'ny taona 2007 no nanatanterahana ny zaikabe farany.

Tamin'ny WRC-97 tamin'ny taona 1997 dia natokana ho an'ny fampielezam-peo iraisam-pirenena ireto valan-kalava ireto. Misy elanelana 5 KHz amin'ny hatetik'onjan'ny onjam-peo roa mifanakaiky hatetik'onja.

Valan-kalavan'onja Valan-katetika Filazana
120 m 2.3–2.495 MHz tropic band
90 m 3.2–3.4 MHz tropic band
75 m 3.9–4 MHz Zaraina amin'ny valan-kalavam-pankafy 80m
60 m 4.75–5.06 MHz tropic band
49 m 5.9–6.2 MHz  
41 m 7.2–7.6 MHz Zaraina amin'ny valan-kalavam-pankafy 40m
31 m 9.4–9.9 MHz Valan-kalava ampiasaina indrindra ankehitriny
25 m 11.6-12.2 MHz  
22 m 13.57-13.87 MHz
19 m 15.1-15.8 MHz  
16 m 17.48-17.9 MHz  
15 m 18.9-19.02 MHz Saika tsy ampiasaina, mety atao ho valan-kalava DRM
13 m 21.45-21.85 MHz  
11 m 25.6-26.1 MHz Azo ampiasaina amin'ny valan-kalava ampielezana DRM


Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Fell's Guide to Operating Shortwave Radio Hardcover – 1 Jun. 1969 by Charles Vlahos (Author). Publisher: Lifetime Books (1 Jun. 1969), ISBN-10: ‎0811900479, ISBN-13: ‎978-0811900478