Olona tsy manana zom-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny olona tsy manana zom-pirenena, araka ny Fifanarahana tao New York tamin' ny 28 Septambra 1954, dia "olona tsy misy fanjakana mihevitra azy ho olom-pirenena fehezin' ny lalàny".

Tamin' ny 12 Nôvambra 2018 dia nanambara ny Kaomisera Ambonin' ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-Ponenana (United Nations High Commissioner for Refugees - UNHCR) fa maherin' ny 12 tapitrisa ny olona tsy manana zom-pirenena eran-tany.

Ny tsy maha manana zom-pirenena ny olona iray dia miankina amin' ny fomba fijerin' ny fanjakana ny olona na ny vondron' olona. Amin' ny toe-javatra sasany dia maneho mazava ny fomba fijeriny ny fanjakana; fa amin' ny toe-javatra hafa dia sarotra kokoa ny manavaka mazava ny fomba fijerin' ny fanjakana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]