Normandia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Normandie)

I Normandia dia faritra ara-jeôgrafia sy ara-kolontsaina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Frantsa, faritan' ny ranomasina Manche. Atao hoe Normaundie na Nourmaundie izy amin' ny teny nôrmana, Normandy amin' ny teny anglisy ary Normandie amin' ny teny frantsay. Ankehitriny dia mahafaoka ny fari-piadidian' ny Basse-Normandie (departemantan' i Calvados sy departemantan' i Manche ary departemantan' i Orne) sy i Haute-Normandie (departemantan' i Eure sy departemantan' i Seine-Maritime).