Mpikambana:Instant Malagasy

Avy amin'i Wikipedia

Instant Malagasy[hanova | hanova ny fango]

Habaka natao hivelaran'ny kolontsaina malagasy. Sehatra iray hifampizaràn'ireo mpandala ny soa toavina malagasy ny haren-tsain-drazana. Ka na aiza na aiza misy anao dia hampianoka anao ao anatin'ny kolontsaina faha-Ntaolo ny Instant Malagasy. Hahazo avara-patana ao ny fomba amam-panao malagasy sy ny kolontsaina malagasy. Tsy adinoina ihany koa anefa ny manandratra ireo heverina fa "kolokolo ho dimbin'ny vary sy ambioka antoky ny taona" dia tsy iza izany fa ireo mpanan-talenta amin'izao taona diavintsika izao.

Ny Instant Malagasy dia hahitanao :

  • Resadresaka sy dinidinika na "interview" samihafa.
  • Lahabolana am-bava malagasy (ny kabary malagasy, ny jijy sy ny maro samihafa)
  • Tononkalo sy Hainteny ary Ohabolana
  • Asa tànana sy famoronana
  • Fomba malagasy
  • sy ny maro samihafa.

Ireto ny rohy hahafahanao manaraka izany rehetra izany :

Tranokala "Instant Malagasy" : Instant-Malagasy

Ireo "Interview" ao amin'ny "Youtube" : Instant Malagasy Youtube

Ao amin'ny Facebook : Pejy Instant Malagasy