Aller au contenu

Masina

Avy amin'i Wikipedia

Ny masina dia toetran' ny zavatra izay atokana na manokana ho an' ny fanompoana na fivavahana amin' ny andriamanitra iray; izay heverina ho mendrika ny fanajana na fanoloran-tena ara-panahy; na miteraka fatahorana na fanajana eo amin' ny mpino. Ity toetra ity dia matetika ilazana zavatra ("zavatra masina"), na ilazana toerana ("tany masina").

Heverin' i Émile Durkheim, ilay sôsiôlôga frantsay, fa ny fanavahana ny masina sy ny tsy masina ho tena mampiavaka ny fivavahana: "ny fivavahana dia rafi-pinoana sy fanao natambatra mifandray amin' ny zavatra masina, izany hoe ny zavatra natokana sy voarara". Ao amin' ny teôrian' i Durkheim, ny masina dia maneho ny tombontsoan' ny vondrona, indrindra ny firaisan-kinany, izay miseho ao anatin' ny famantarana masin' ilay vondrona, na ny fampiasana ny fiaraha-miasa isan-tarika mba hivoahana amin' ny fahasahiranana. Ny tsy masina, etsy ankilany, dia ahitana fisahiranana isam-batan' olona eo amin' ny fiainana andavanandro.