Raki-pahalalana: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
ZéroBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.1) (Rôbô Nanampy: hif:Encyclopedia
AvocatoBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.3) (Rôbô : fanovana an'i ang:Ƿīsdōmbōc à ang:Wīsdōmbōc
Andalana faha-84: Andalana faha-84:
[[als:Enzyklopädie]]
[[als:Enzyklopädie]]
[[an:Enciclopedia]]
[[an:Enciclopedia]]
[[ang:Ƿīsdōmbōc]]
[[ang:Wīsdōmbōc]]
[[ar:موسوعة]]
[[ar:موسوعة]]
[[arz:موسوعه]]
[[arz:موسوعه]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 27 Febroary 2013 à 06:18

Naturalis Historia, raki-pahalalana voalohany (fanontana ny taona 1669 io natolotra io)

Ny raki-pahalalana (izay manana tsipelina maro) dia boky firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan'ny olombelona.[1] Ilay raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin'ny Aterineto (toy i Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin'ny taranja iray ho an'ireo raki-pahalalana manokana, na amin'ny taranja rehetra ho an'ireo raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian'ny rakipahalalana voalohany ; ny rakipahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Hisoire Naturelle" amin'ny teny frantsay), dia nosoratan'i Pliniosy Be Taona tamin'ny 77 CE tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny amantaratsika azy amin'izao fotoana izao, dia nipoitra tamin'ny taonjato faha 17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin'ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin'ny fiteny espaniola, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an'ilay voalohany, 70 ho an'ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (antranonkala na ambon'ny CD), toa i Wikipedia (manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250), na Citizendium.

Fanoratana

Amin'ny teny malagasy, maro ireo fomba fanoratana ny teny raki-pahalalana : azo soratana rakipahalalana (tsy misy fitsipi-panohizana na diakritika) na raki-pahalalàna (misy fitsipi-panohizana ary diakritika). Ekena fa misy avokoa ireo fanoratan antenantenan'ny tranga voalaza teo aloha (izay misy fitsipi-panohizana na/ary diakritika).

Tantara

Pliniosy Be Taona

Ny asa ara-draki-pahalalana voalohany izay fantatra amin'izao fotoana izao, dia ny Naturalis Historia izay nosoratan'i Pliniosy Be Taona, olom-pirenena romana niaina tamin'ny taonjato volalohany CE. Nanatambatra asa soratra miisa toko fito amin'ny telopolo izay mikasika ny tantara natoraly, ny zavakanto ary ny maritrano, ny haitsabo (médecine), ny jeôgrafia, jeolojia ary fiendriky ny tontolo manodidina azy. Ao amin'ny sasintenin'ny bokiny izy nanatambatra fisehoan-javatra roa alina, avy amin'ny asa soratry ny mpanoratra hafa miisa mahery ny roanjato, mbola nanampiany fisehon-javatra hafa araka ny traikefany. Nivoaka tamin'ny taona 77-79 CE teo ilay asa soratra, na dia tsy tapitra ny namarana ny asa fanaporofoina alohan'ny fahafatesany izy noho izy maty tamin'ny Vesoviosy ny taona 79 CE.

Arabo ary Persana

Ny firaketam-pahaizana mozilmana voalohany tamin'ny Taona Afovoany dia ahitana asa mampahazo, ary fanitarana ny antsointsika ankehitriny hoe ny fomba siantifika, fomba ara-tantara, ary fitanisana. Teo amin'ny 960 teo ho eo, ny Mpiralahy fo madio[2], fikambanana filôzôfy mihafina any Basora[3], dia lasa nanoratra ny raki-pahalalan'ny Mpiralahy fo Madio. Anisan'ny asa malaza dia ahitana ny raki-pahalalan'ny siansa nosoratan'i Aby Bakr Al-Razi, ny Al-kindi an'i Motazily, ary ny firaketana momban'ny haitsabo nosoratan'i Ibn Sina, izy nofotorana nandritra ny taonjato maro.

Isidoro de Sevila

Etymologiæ, raki-pahalalana nosoratan'i Isidoro de Sevila tamin'ny taonjato fahafito

Isidoro de Sevila (560-636), eveka niaina tamin'ny taonjato fahafito tao Hispalis (Sevila) no mpanoratra ny raki-pahalalana voalohan'ny Taona Afovoany. Ny raki-pahalalana nosoratany tamin'ny taona 630, izay mitondra ny anarana ahoe Etymologiæ, dia boky roapolo, izay ahitana fanadihadiana ara-etimolojia ny teny anaty toko 448. Amin'ny alalan'io boky io, tiany tahirizina ary ampitana ny fahaizan'ny Taona Taloha ary ny kolontsaina klasika izay andalam-pahaverezana. Nalaza be ilay bokiny io ary ho averina tontaina impolo io boiny io eo anelanelan'ny taona 1470 ary 1530, izay mari-palazany hatramin'ny "Renaissance". Somary mahafanina ihany ny fomba famaritany ny etimolojia : hazavainy amin'ny alalan'ny teny mifanakaiky ara-peo ny teny iray (Rex a recte agento, "mpanjaka" no antsoina ilay mahitsy fanao). Ny tanjon'ireo etimolojia (izay niomezan'ny manam-pahaizana tamin'ny Renaissance) ireo hono dia manan-tanjona ny manamora ny fahazona ny famaritana ao an-tsain'ny mpamaky. Nandray anjara tamin'ny fiharetan'ny asa soratry ny Taona Taloha tamin'ny alalan'ny fitanisany azy.

Sina

Nanomboka tamin'ny Boky Lehibe Efatry ny Song (宋四大書; pinyin: Sòng sì dà shū) izay natambatra tamin'ny taonajto fahairaika ambin'ny folo ny tantaran'ny raki-pahalalana tany Sina. Ilay raki-pahalalan'ny Song, dia asa ara-kaisoratra lehibe ho an'izany fotoana izany. Ny raki-pahalalana afarany, ny Sokatra Voalohan'ny Birao Fanangonana, dia anisana sinôgrama 9,4 tapitrisa anaty volume miisa arivo. Maro ny raki-pahalalana nandritra ny tantaran'i Sina, miaraka amin'ny raki-pahalalan'i Shen Kuo (1031-1095) amin'ny Mengxipitan nosoratana tamin'ny taona 1088. Misy koa ny raki-pahalalana nosoratan'ny mpamorona ary agrônôma Wang Zhen (niasa nandritry ny taona 1290 hatramin'ny taona 1333) izay nanoratra ny boky Nong Shu tamin'ny 1313 ; ary ny Tiangong Kaiwu nosoratan'i Song Yingxing (1587-1666), izay nomen'i Joseph Needham solonanarana "Diderot an'i Sina".[4]

Ny mpanjakabe sinoa Yongle ny dinastia Ming, dia nanafehy ny tontan'ny Raki-pahalalan'i Yongle, anisan'ny raki-pahalalana lehibe indrindran'ny tantaran'i Sina, izay tapitra tamin'ny taona 1408 ; anisana sinôgrama 370 tapitrisa anaty volume miisa iray arivo sy iray alina nosoratana tanana ; efajato amin'ireo volume ireo sisa no eto am-pelantanana amin'izao fotoana izao.

Taonjato faha-17

Taonjato faha-19

Araky ny gazety anglisy iray tamin'ny 1809, dia azo antsoina hoe "taonjaton'ny raki-pahalalana" ny taonjato faha-19. Tia hanana raki-pahalalana amin'ny tenim-pireneny daholo ireo firenena irao, ary tsy resaka firehareham-pirenena fotsiny izy io fa tombon-tsoa ho an'ny firenena ihany ka, satria ny fampielezana ny fahalalana amin'ny vahoaka dia ilaina amin'ny fivoarana ara-toe-karena ary ara-pahaizan'ny firenena iray. Izany hetsika fampielezana izany koa dia tohanan'ny fihabetsahan'ny olona mahay mamaky teny ary ny fivoaran'ny hai-printy izay mampidina ny vidin'ny boky sady mampidi-bola[5] ho an'ny mpanaprinty.

Alemaina

Any Alemaina, ny raki-pahalalana nalaza indrindra dia ny Brockhaus Enzyklopädie izay natonta tamin'ny taona 1808, ary, nohon'ny fahombiazany, dia naverina notontaina haatramin'ny taona 2005. Ny Allgemeine Enzyklopädie der Wissenschaften und Künste nsoratan'i Ersch ary Gruber izay tsy vita (volioma 167 izay nivoaka teo anelanelan'ny taona 1818 ary 1879).

Sina

Navoakan'i Wei Song tamin'ny 1834 ny Yishi Jishi (壹是紀始) izay voazara toko 22 izay manana lohahevitra 2 000 ; naverina notontaina tamin'ny 1888 ary 1891 ilay raki-pahalalana.

Taonjato faha-20 ary faha-21

Nanomboka nitranga tamin'ny taona 1920 ny raki-pahalalana ho an'ny daholobe ary mora vidy.

Tao Etazonia, nahitana ny fipoiran'ny raki-pahalalana ho an'ny daholobe ny taona 1950-1960. Ny malaza indrindra amin'izy ireo dia ny World Book ary ny Funk and Wagnalls.

Tamin'ny faramparan'ny taonjato faharoapolo no nipoiran'ireo raki-pahalalana ambony CD-ROM izay azo vakiana amin'ny alalan'ny solosaina : Encarta an'i Microsoft nalefa tamin'ny taona 1993, dia ohatra iray amin'izy tsy misy boky voaprinty sahala aminy ary amin'izy tsy natonta taratasy. Noho ny fahombiazan'ny raki-pahalalana hafa eo amin'ny tsenan'ny raki-pahalalana tsy voatonta taratasy, nakaton'i Microsoft ny raki-pahalalana Encarta tamin'ny taona 2009.

Mampiasa olona mpanoratra lahatsoratra ny raki-pahalalana tsotra, izany hoe olona nianatra ary manam-pahaizana, mananan zom-pamorona izay manafehy ny fiparitahany ary ny asa mety mifototra aminy.

Avy amina asa nataon'ny nialoha azy ny ao amin'ny raki-pahalalana tamin'ny taonjato faha-19, ary noho izany maro ireo raki-pahalalana izay ahitana tsifanajana ny rom-pamorona.

Tamin'ny taona 2007, ny fanontana ny taona 1911 ny Encyclopaedia Britannica, raki-pahalalana voatonta taratasy dia tsy mihatra amin'ny votoatiny intsony, dia anisan'ny raki-pahalalana malalaka voatonta taratasy manana votoatiny malalaka amin'ny teny Anglisy.

Raki-pahalalana malalaka

I Wikipedia no raki-pahalalana voalohany manana votoatiny foronin'ny mpampiasa azy

Nitranga tamin'ny Interpedia natao teo amin'i Usenet ny taona 1993 ny raki-pahalalana dijitaly malalaka voalohany, izay azo alaina ary "download-ena" eo amin'i vohikala Usenet. Mahazo mandefa votoatiny avokoa ny tsirairay. Tetikasa hafa sahala izany dia i Everything2 ary Open Site. Ny taona 1999, nikasa an'i GNUPedia -- raki-pahalalana azo vangiana eo amin'ny Tranonkala -- i Richard Stallman.

Tsy nisy raki-pahalalana naharitra ary matanjaka teo amin'i Aterineto talohan'i Nupedia ary Wikipedia. Lasa rakipahalalana lehibe indrindra erak'izao tontolo izao i Wikipedia tamin'ny taona 2004, tamin'ny lahatsoratra faha telo hetsy ny tetikasa.[6] Tamin'ny faran'ny taona 2005, roa tapitrisa no isan'ny lahatsoratra voaforona ary voasoratra eo amin'i Wikipedia, anaty fiteny mahery ny valopolo. Tamin'ny 2009, folo tapitrisa ny lahatsoratra tao amin'i Wikipedia ; telo tapitrisa amin'ny anglisy, fito tapitrisa anaty fiteny 250 hafa. Nanomboka ny taona 2003 dia nipoirana raki-pahalalana malalaka toy ny Baidu Baike ary Hudong amin'ny fiteny sinoa, na ny raki-pahalalana Citizendiym ary Knol amin'ny teny anglisy.

Raki-pahalalana

Ny raki-pahalanana lehibe indrindra amin'ny fiteny malagasy dia ny Wikipedia amin'ny teny malagasy, izay manana lahatsoratra mahery ny roa alina, ny faharoa, dia ny Rakibolana Rakipahalalana natontan'ny Akademia Malagasy.

Tondro

Ny raki-pahalalana ankehitriny dia raki-bolana manana famaritan-teny nitarina sahala ireo raki-pahalalana nipoitra tamin'ny taonjato faha-18.

Raki-pahalalana antranonkala

Ny raki-pahalanana antranonkala malaza indrindra dia i Wikipedia, tranonkala fahafito be mpamangy indrindra izay manana sampanana amin'ny fiteny mahery ny 250. Ny mahasamihafa an'i Wikipedia amin'ny raki-pahalalana hafa dia izy manana votoatiny azo ovaovaina am-pahalalahana. Ankohatran'i Wikipedia, ireo raki-pahalalana antranonkala dia i Encarta, raki-pahalanana andoavambola izay nikatona tamin'ny taona 2009 noho ny fahombiazan'i Wikipedia.[7]

Tsiahy

  1. Encyclopedia
  2. Ikhwan al-Safa
  3. P.D. Wightman (1953), The Growth of Scientific Ideas
  4. Needham, Volume 5, Toko 7, 102.
  5. ((en)) Richard Yeo, Encyclopaedic Visions, Cambridge (U.K.), Cambridge University Press, 2001
  6. http://linuxreviews.org/news/2004/07/07_3000k/
  7. http://www.lefigaro.fr/societes/2009/04/01/04015-20090401ARTFIG00360-microsoft-referme-son-encyclopedie-en-ligne-.php

ak:Obiara tumi kyerɛw bi no