Aller au contenu

Laza Razafiarison

Avy amin'i Wikipedia


Ny R.C.R (Rassemblement des Citoyens Responsables) na T.OLO.N.A (Tambaben’ny Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra) dia antoko pôlitika malagasy tarihin’Andriamatoa Laza RAZAFIARISON mivoy ny firehan-kevitra ”Fifohazan-tsaina” na ”Consciencisme”.

Efa talohan’ny taona 2010 no nitaky ny fanovana ny rafitra ara-pôlitika Andriamatoa Laza Razafiarison ka nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy ny taona 2013. Nosamborina tamin-kabibiana izy sy ireo niara-dia taminy noho ny fanehoan-kevitra an-dalam-be hitakiana fifidianana madio sy mangarahara. Naiditra am-ponja izy noho izany ary nampangaina ho nihantsy ny fitondrana tetezamita.

Niroso hatrany ny tolona ho an’ny fanovan-drafitra na dia teo aza ny sakantsakana sy hery famoretana ka izay no nananganana ny antoko “Rassemblement des Citoyens Responsables(R.C.R.) na T.OLO.N.A (Tambaben’ny Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra) ny taona 2014. Ny tanjona moa dia ny mba hamondronona ny olom-pirenena rehetra vonona handray andraikitra sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanovana ny rafitra misy eto Madagasikara.

Nahasarika olona maro ny R.C.R. taorian’ny fanomanana ny fifidianana 2023 rehefa nanapa-kevitra ny tsy handrotsaka kandidà noho ny fahatsapana fa tsy azo antenaina ny hisian’ny fifidianana madio ary koa noho ny tsy fahampian’isa teo amin’ny mpanohana. Tsy nampiato ny asa fanairana ny mpiray tanindrazana anefa izany fa vao mainka aza nihamaro ireo hetsika nokarakarain’ny R.C.R.

Ny pôlitikany:

[hanova | hanova ny fango]

Ny hevitra voizin’ny R.C.R. / T.OLO.N.A dia ny fanovan-drafitra eto Madagasikara. Misedra krizy ara-pôlitika foana ny firenena isaky ny dimy na folo taona eo ho eo noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana ary izany dia mitarika krizy ara-toe-karena sy ara-piaraha-monina.

Noho izany dia tapa-kevitra ny hifantoka amin’ny fanofanana ny olom-pirenena ny R.C.R / T.OLO.NA ka mitety faritra mba hampahafantra ny vahoaka oe rafitra toa inona no tena mifanaraka amin’ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ireo efa notetezina nandritra ny taona 2023 ny faritra Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Analanjirofo ary Boeny.

Tsy ny handrombaka ny fahefana amin’ny fomba rehetra no mahamaika ny R.C.R. fa ny hametrahana rafitra vaovao hitantanana an’i Madagasikara. Noho izany dia vonona hiara-hiasa amin’izay rehetra resy lahatra amin’ny fanovan-drafitra ny R.C.R. Ireto misy ohatra telo amin’ny endriky ny fanovan-drafitra:

  • Ny mpitsara any an-toerana ihany no manamarina sy mamoaka ny voka-pifidianana any amin’ny faritra misy azy avy
  • Ny sehatra tsirairay no mifidy izay solombavany (solombavan’ny mpamboly, solombavan’ny mpanakanto, solombavan’ny mpitsabo mpanampy, sns) satria ny fiarahamonina iray manontolo no fototry ny firenena.
  • Atao mifanaraka amin’ny toetr’andro sy taom-pambolena ny taom-pampianarana.

Ny soatoaviny:

[hanova | hanova ny fango]

Ny soatoavina arahin’ny R.C.R dia manome lanja ireto foto-pisainana ireto:

1 – “Complémentarité”: Mifameno isika ka mifanampy fa tsy mifaninana

2 – “Consensualité”: Mifampiera isika amin’izay rehetra atao

3 – “Partage de responsabilités”: Samy tompon’andraikitra ny amin’ny fahombiazana na tsia

4 – “Neutralité religieuse”: Nampiraisin’ny andraikitra isika ka mitambatra tsy miandany amin’ny finoana.


https://rcr-tolona.org/