Lambo

Ny lambo dia karazam-biby ao amin' ny fianakaviana Suidae. Ny teny hoe lambo dia mety manondro ny karazana ompiana (kisoa) na ny karazana any anaty ala (lamboala), arakaraka ny fitenim-paritra eto Madagasikara. Fa ny horesahina eto dia ny lamboala.
Teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fitenim-paritra tanosy, sakalava any Mayotte (kibosy), ny teny hoe lambo dia manondro ny kisoa. fa amin' ny fiteny merina, izay fototry ny fiteny malagasy ôfisialy, sy ny fitenim-paritra maro hafa, dia ny lambo any anaty ala izany[1]. Marihina fa ny teny hoe lambo koa dia ilazana karazana zavamaniry heverina fa manaitra ny filan' ny fitaovam-pananahana, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Uvaria manjensis.
Ny lambo eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Fahita any amin' ny faritra be alan' i Madagasikara, , ny lambo, izay tena manimba ny fambolena.
- ny Potamochaerus madagascariensis, na Potamochaerus africanus, Gray[2] na Potamochoerus larvatus[3] (atao hoe lamboniva), hita any amin' ny faritra ambany, amorontsiraka[2];
- ny Potamochaerus Edwardsi, Grandidier (atao hoe lambonava), hita any amin’ ny ala any amin' ny faritra avo, io no lehibe indrindra[2].

Phacochoerus africanus
Amin' ny heviny mivelatra
[hanova | hanova ny fango]Ny karazana rehetra ao amin' ny fianakaviana Suidea nefa tsy kisoa ompiana dia antsoina hoe lambo, ka anisan' izany ireo ao amn' ny vondron-karazana:
- Hylochoerus (atsy Afrika);
- Phacochoerus (atsy Afrika);
- Porcula (lambo zeny);
- Potamochoerus (misy eto Madagasikara);
- Sus (vondrona ahitana ny kisoa)
