Kharg (nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Kharg

I Kharg na Khark (persana: جزیره خارک / Jazireh Khark) dia nosy any Iràna ao amin' ny Hoala Persika. 25 km miala ny morontsirak' i Iràna izy ary 483 km avaratry ny andilan' i Hormuz. Tantanan' ny Faritanin' i Bushehr mifanila aminy ity nosy ity izay manitatra ny fari-dranomasin' i Iràna mankany amin' ny toeram-pitrandrahana solitany ao amin' ny Hoala Persika. Manana seranan-tsambo ahafahan manondrana solitany ny nosy Kharg.