Aller au contenu

Kasita

Avy amin'i Wikipedia
Tsangambaton'ny mpanjaka kasita Melisipàka II.

Ny Kasita dia vahoaka nonina tao Azia Atsimo Andrefana tamin'ny Andro Taloha. Mety any amin'ireo tendrombohitr'i Zagros ny fiaviany. Nanani-bohitra matetika sy naka ny ampahany lehibe any avaratr'i Babilôna ny Kasita tamin'ny taonjato faha-17 tal. J.K. Tamin'ny taona 1600 na 1595 tal. J.K. any ho any dia nanafika an'i Babilôna ny Kasita ka nahatonga ny tafik'ity tanàna ity halemy. Taorian'izany dia naka an'i Babilôna izy ireo ka namorona fianakavia-mpanjaka (dinastia) vaovao izay nanapaka nandritra ny 450 taona tao amin'ny ilany atsimo sy atsinanan'i Mesôpôtamia. Nanditra izany fotoana izany dia nandray ny fiteny sy ny fanoratan'ny Babilôniana ny Kasita ka azo lazaina fa nifangaro tanteraka tamin'ny mponina tao. Tamin'ny taona 1225 tal. J.K. dia nanafika ka nahazo an'i Babilôna ny mpanjaka asiriana Tokolty-Ninorta I ka nahalefy ny hery ara-politikan'ireo mpanjaka kasita izay mbola nitoetra teo amin'ny lapan'i Babilôna ihany hatramin'ny taona 1155 tal. J.K. Nofehezin'ny mpanjaka elamita atao hoe Sotroka-Nahonte I ny Kasita, ka ny zanaka lahin'io mpanjaka io no napetrany hanjaka.

I Babilôna tamin'ny andron'ny Kasita tamin'ny taonjato faha-13 tal. J.K.

Vitsy ny zava-pantatra momba ny Kasita, ankoatry ny anaran'ny mponina, ny anaran-toerana ny anaran'ireo andriamanitra nivavahany. Tsy fantatra marina koa ny toetran'ny fiteniny (ny fiteny kasita), izay mety tsy fiteny indô-eorôpeana sy tsy fiteny semitika.