Horonan-tsoratra

Avy amin'i Wikipedia
Ny Sefer Torah naseho tao amin' ny Sinagôga Glockengasse, tany Cologne.

Ny horonan-tsoratra na horonam-boky dia boky vita amin' ny ravin-jozoro (na papirosy) natambatra ary nahorona. Tany Ejipta no namorinana azy, tany amin' ny manodidina ny taona 3000 tal. J.K. Ny lahatsoratra dia natao tsanganana mirazotra somary tery. Io no fitaovana tena nampiasaina tamin' ny fanoratana nandritra ny taonjato telopolo tal. J.K., voalohany tany Ejipta, avy eo nanerana ny Tontolo Mediteraneana. Nosoloina tsikelikely amin' ny kôdeksa ny horonan-tsoratra taty aoriana.