Helodranon'i Akaba

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Saritany mampiseho ny helodranon'i Akaba

Ny helodranon'i Akaba dia sampan'ny Ranomasina Mena miditra ao atsimo andrefan'i Azia, manasaraka ny saikanosin'i Arabia amin'ny saikanosin'i Sinay (na Sinaia). Mirefy 24 km ny sakany ary 160 km ny halavany. Mifandray amin'ny Ranomasina Mena amin'ny alalan'ny andilan-dranomasina Tiràna ny helodranon'i Akaba. Ny saikanosin'i Sinay no manasaraka azy amin'ny helodranon'i Soeza. Ao amin'ny tapany avaratra no misy ny seranan-tsambon'i Akaba ao Jordania sy ny seranan-tsambon'i Eilata ao Israely.

Ny Saikanosin'i Sinay manasaraka ny helodranon'i Soeza sy ny helodranon'i Akaba.

Atao hoe خليج العقبة / Khalij al Aqaba izy amin'ny teny arabo fa מפרץ אילת / Mifratz Eilat ("helodranon'i Eilata") kosa amin'ny teny hebreo.