Hazomainty

Avy amin'i Wikipedia

Ny hazomainty dia karazan-kazo maniry amin'ny faritra trôpikaly amin'ny faritr'i Azia Atsimo sady be mpamboly any amin'ireo faritra trôpikaly sy atsion'ny trôpika. Atao hoe Albizia lebbeck ny anarany siantifika. Mety mahatratra 18 m hatramin'ny 18 m ny hazomainty ary mahatratra 50 sm hatramin'ny 1 m ny savaivon'ny vatany. Miloko matroka dia matroka sady mavesatra ny nofony. Hazo malaky mihintsan-dravina ny hazomainty. Ny tahon-draviny dia mitodra ravina miisa 6 hatramin'ny 18. Miloko mavo na fotsy na somary maitso ny voniny izay ahitana lahimbony mirefy 2,5 sm hatramin'ny 3,8 sm. Ny ao anaty tranom-boany, izay manana halava 15 sm hatramin'ny 30 sm sy sakany 2,5 sm hatramin'ny 5 sm, dia ahitana voa miisa 6 hatramin'ny 12.