Hassan Rohani

Avy amin'i Wikipedia
Hassan Rouhani tamin' ny taona 2020

I Hassan Rohani na Hassan Rouhani na Hassan Rowhani na Hassan Ruhani dia manam-pahaizana sy diplômaty ary olom-panjakana iraniana, mpitondra fivavahana mozilmana. Izy no filohan' ny Repoblika Islamikan' i Iràna nanomboka tamin' ny taona 2013 ka hatramin' ny 2021. Atao amin' ny teny persana hoe حسن روحانی / Ḥasan(-e) Rowḥâni izy. Teraka tamin' ny 12 Nôvambra 1948 tao Sorkheh izy, izay nomena ny anarana hoe Hassan Fereydoun.

Kandidà tamin' ny fifidianana filoham-pirenena iraniana tamin' ny taona 2013 i Hassan Rouhani, izay hany kandidà mpandanjalanja tamin' ny fampielezan-kevitra. Nambarany fa raha lany amin' ny fifidianana izy, dia hanomana "sata mifehy ny zon' ny olom-pirenena", hamerina amin' ny laoniny ny toekarena ary hanatsara ny fifandraisany amin' ny firenena tandrefana. Naneho ny fanohanana ôfisialy ny fitandroana ny zon' ny vitsy an' isa ara-poko sy ara-pivavahana koa izy. Voafidy ho filohan' ny Repoblika Islamikan' i Iràna izy tamin' ny fihodinana voalohany, ary nahazo ny 50,7 % amin' ny vato.

Matetika i Rouhani no lazaina ho manana firehana pôlitika afovoany sy mpandala fanavaozana. Amin' ny pôlitika anatiny dia mandrisika ny fahalalahan' ny tena manokana, ny fahafahana mahazo malalaka fahalalàm-baovao, ary nanatsara ny zon' ny vehivavy tamin' ny fanendrena vehivavy mpitondra tenin' ny Ministeran' ny Raharaham-Bahiny izy. Nohatsarainy ihany koa ny fifandraisana ara-diplômasian' i Irana amin' ny firenen-kafa.

Nandresy tamin' ny fifidianana indray i Rouhani tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2017 tamin' ny vato 57,1 %.

Na dia notohanan' i Ali Khamenei, Mpitarika Faratampony Iraniana, aza i Rouhani tany am-boalohany nandritra ny fe-potoam-piasany faharoa, dia nidina ny fifandraisan' izy ireo satria nanakiana an' i Rouhani i Khamenei noho izy malefaka loatra amin' ny fifampiraharahana amin' ny Tandrefana momba ny fifanarahana momba ny nokleary iràniana. Taorian' ny fe-potoam-piasana faharoa dia tsy notendren' i Khamenei ho amin' ny andraikitra ambony i Rouhani ary tsy nihaona taminy intsony raha tsy tamin' ny taona 2021.