Gepara aziatika

Avy amin'i Wikipedia
Gepara aziatika

Ny gepara iraniana na geparan' i Iràna na gepara aziatika (Acinonyx jubatus venaticus) dia zana-karazan' ny gepara izay tena tandindomin-doza sady voafetra amin' ny sisintany Iràna-Iràka ankehitriny, na dia vitsy aza no voalaza fa tafavoaka velona tsindraindray any amin'ny faritra ambanivohitra any Iràka sy any Iràna ary any Pakistàna.

Ny volon' ny gepara aziatika dia mavo hatramin’ ny mavo tanora, matroka kokoa ny sisiny, eo anoloan' ny molony, eo ambanin' ny masony, ary ao amin' ny ilany anatiny amin’ ny tongony. Misy pentipentina mainty kely milahatra eo amin' ny lohany sy ny hatom-bozony, saingy miparitaka mikorontana izany eo amin' ny vatany, ny ranjony, ny tongony ary ny rambony. Misy tsipitsipika mainty ny tendron-drambony.

Fohy kokoa noho ny an' ny gepara afrikana ny volo amin’ ny vatany sy ny vombony. Mirefy 112 hatramin’ ny 135 sm eo ny loha sy ny vatan' ny gepara aziatika lehibe, ary mirefy 66 hatramin' ny 84 sm ny halavan' ny rambony. Manodidina ny 34-54 kg ny lanjany. Somary lehibe kokoa noho ny vavy ny lahy.