Vondron-kintana
Ny vondron-kintana dia toerana ahitana kintana maro dia maro izay nifanakaiky tamin'ny alalan'ny hery vokatry ny lanja (gravity). Tsy kintana irery akory no misy ao amin'ny vondron-kintana fa ahitana, vovo-kintana, etona, plasma, ary zavatra mainty izay tsy hita maso. Ny isan'ny kintana ao amina vondron-kintana iray dia eo amin'ny folo tapitrisa hatramin'ny roa ambin'ny folo tiriliôna (1012), izay mihodina manodidina ivon-danja iombonana.
Refesina amin'ny taon-kazavana ny savaivon'ny vondron-kintana iray, eo amin'ny iray hetsy eo ho eo ny savaivon'ny ankamaroan'izy ireo ; ny halaviran'ny vondron-kintana roa dia isaina amin'ny taon-kazavana aman-tapitrisany.
Ny zavatra mainty dia miseho ho 90% ny lanjan'ny vondron-kintan arehetra, mbola vitsy ny fampahalalana ananana mikasika ilay zavatra mainty. Eo anivon'ny ankamaroan'ny vondron-kintana dia ahitana lavaka mainty lehibe izay mamotika ny kintana mandalo eo akaikiny na midona aminy.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Miteny frantsay
[hanova | hanova ny fango]- ((fr)) Étude sur les galaxies elliptiques, spirales et irrégulières Archived Febroary 28, 2010 at the Wayback Machine
- ((fr)) Les galaxies et l'univers, sur le site de l'Université libre de Bruxelles Archived Oktobra 1, 2011 at the Wayback Machine
- ((fr)) Étoiles et galaxies, sur le site du Centre de recherche astronomique de Lyon Archived Jolay 6, 2009 at the Wayback Machine