Hankany amin'ny vontoatiny

Fitiavana

Avy amin'i Wikipedia
Fitiavana

Ny fitiavana dia fahatsapana firaiketam-po mahery vaika amin' ny zavamananaina na zavatra iray, ka mahatonga ireo izay mahatsapa izany hikatsaka ny fanakaikezana ara-batana, ara-tsaina, na an' eritreritra mihitsy aza amin' ilay zavatra tanjonin' izany fitiavana izany. Mety mahatonga fananana fitondran-tena manokana ny fahatsapana fitiavana olon-kafa, ka miteraka fifandraisana ara-pitiavana raha ifamaliana izany fitiavana izany ary, indraindray, mitarika amin' ny firaisana ara-nofo.

Toetran' ny fitiavana sy sehatra isehoany

[hanova | hanova ny fango]

Mahery indrindra eto an-tany ny fitiavana. Tsy hita maso izy, nefa tsapa ao am-po sy ao an-tsaina. Manome hery ny fitiavana, mampitony alahelo, ary mampiray ny olona samy hafa. Ao amin’ny fianakaviana, ny fitiavana no fototra iorenan’ny fifankatiavana sy fifampitokisana. Ao amin’ny finamanana, izy no mampaharitra ny fifandraisana. Ary ao amin’ny fitia, izy no mamelona ny hasambarana sy nofinofy.

Tsy mitaky valiny na tambiny ny fitiavana marina. Tsy manavaka karazana, foko, na toe-javatra. Miseho amin’ny andro mamy, andro mahafaly, miseho amin'ny andro mahaory, ary maharitra na dia eo aza ny fahasahiranana. Rehefa manome fitiavana isika, dia mitombo izany ao amintsika sy amin’ny manodidina antsika. Ary rehefa tia isika, dia miaina amin’ny tena maha-olombelona antsika.

Miseho amin'ny endrika maro ny fanehoam-pitiavana: tsy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy ny fo. Satria ao amin’ny fitiavana no misy fiadanana marina.

Ara-psikôlôjia dia fihetseham-po ny fitiavana; saingy miditra koa ny sehatra hafa rehefa mipoitra sy misongadina eo amin'ny fiarahamonina izany fihetseham-po izany:

Karazana fitiavana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny filôzôfia grika sy ny teôlôjia kristiana dia misy karazany telo ny fitiavana: fitiavan'olondroa (grika: Ἔρως / eros) izay mpifankatia ka lasa mpivady, fitiavana zavatra (ohatra: tia manao sakafo ...), fitiava-namana (φιλία / philia), fitiavan'Andriamanitra (ἀγάπη / agapê).

Misy karazany maro ny fitiavana, arakaraka ny sehatra iainana sy ny fifandraisana:

  • Fitiavana eo amin' ny ray aman-dreny sy ny zanaka: fifamatorana ara-pihetseham-po izay mitranga eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanany, ahitana fiahiana sy fanoloran-tena.
  • Fitiavan'olon-droa: fitiavana eo amin’ny olona roa manan-pitia, izay matetika mitarika amin’ny fanambadiana na fiarahana maharitra.
  • Fitiavan-tanindrazana: hery manosika ny olona iray hanaja sy hikolo ny fireneny sy ny soatoavina maha-izy azy.
  • Fitiavana ara-pinoana: firaiketam-po amin’Andriamanitra, finoana, na fanompoam-pivavahana.
  • Fitiavana namana: fifankatiavana eo amin’ny olona tsy mifanambady nefa miorina amin’ny fifampitokisana sy fifanajana.

Fitiavana ao amin'ny kolontsaina sy ny literatiora

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny kolontsaina sy literatiora maneran-tany, indrindra fa eto Madagasikara[1], be dia be ny tononkalo, angano, hira, ary tantara iresahana ny fitiavana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fanandratana ny soatoavina maha-olona izy.

Ny maha zava-dehibe ny fitiavana

[hanova | hanova ny fango]

Ny fitiavana no iray amin'ny fototra iorenan'ny fiarahamonina. Manampy amin’ny fananganana fiadanana sy fifampitokisana ary fandrosoana ara-tsaina sy ara-panahy izy io. Ao amin’ny fianakaviana sy ny sekoly ary ny fiarahamonina, ny fitiavana dia ilaina mba hananana tontolo salama sy milamina. Hoy ny Baiboly, ao amin' ny 1 Korintiana 13: 13, manao hoe:

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.[2]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "FOKO: ny faha 50 taonan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara"/, mg.globalvoices.org
  2. Baiboly protestanta, episitily I Korotianina 13:13