Fiteny sesôtô

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny sesoto)

Ny fiteny sesôtô na fiteny sôtô atsimo dia fiteny ao amin' ny tapany atsimon' i Afrika. Anisan' ireo fiteny banto ny fiteny sesôtô izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nijerô-kôngôley. Ny vahoaka basôtô ao Lesôtô no miteny azy indrindra sady mifandray amin' ireo fiteny sôtô hafa toy ny fiteny setsoana sy ny fiteny sôtô avaratra. Tamin' ny taona 1993 dia niisa 1 493 000 ny olona miteny sesôtô ao Lesôtô ka mahatratra ny 85 %n' ny mponina ao amin' io firenena io izany. Tamin' ny taona 2001 dia niisa 3 555 186 ny olona miteny sesôtô ao Afrika Atsimo. Iray amin' ireo fiteny ôfisialy iraika ambin' ny folon' i Afrika Atsimo sady iray amin' ny fiteny ôfisialy roan' i Lesôtô ny fiteny sesôtô.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]