Fiteny saksôna ambany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny saksôna ambany na fiteny alemàna ambany andrefana dia vondrom-pitenim-paritra jermanika andrefana ao amin' ny vondrona jermanô-neerlandey, tena mifanakaiky amin' ny fiteny alemàna amin' ny lafiny iray ary amin' ny lafiny iray amin' ny fiteny neerlandey. Ny fiteny saksôna ambany dia fiteny mpirahavavy amin' ny fiteny anglisy, eo anelanelan' ity sy ny fiteny neerlandey, izay mbola misy itoviana aminy be.

Ny fitenim-paritry ny fiteny saksôna ambany dia mpandova mivantana ny fiteny alemàna afovoany ambany, izay lingua franca tgao amin' ny Ligy Hanseatika. Na dia eo aza ny fepetra voalazan' ny "Dina eorôpeana ho an' ny fitenim-paritra na ny fitenin' ny vitsy anisa", ary na dia eo aza ny lova ara-diteratiora mendri-piderana, dia mihena tsy azo iverenana ny fampiasana azy ireo, indrindra noho ny tsindry ara-toekarena (fifindra-monin' ny ambanivohitra, fifangaroan' ny mponina, fihamafisan' ny fifanakalozana iraisam-pirenena) sy ny tsindry ara-kolontsaina (fampahalalam-baovao matanjaka izay mankasitraka ny fiteny alemana na neerlandey).