Fiteny sabeana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny sabeana na fiteny sabaika dia fiteny arabo atsimo taloha nampiasain' ny Sabeana teo anelanelan' ny taona 1000 tal. J.K. sy ny taonjato faha-6 taor. J.K. ary nampiasain' ny vahoaka sasany tao amin' ny sivilizasionan' ny faritra atsimo amin' i Arabia (tany Iemena taloha) ho fiteny soratana, ka anisan' ireo vahoaka ireo ny Himiarita, ny Hasidita, ny Siroahita, ny Homlanita, ny Gaimanita ary ny Radmanita.

Ao amin' ny sampana semita arabo atsimo amin' ny fianakaviam-piteny afrôaziatika ny fiteny sabeana. Miavaka amin' ireo fiteny arabo atsimo hafa ao amin' io vondrona io ny fiteny sabeana hono ny fampiasana ny h mba hanamarihana ny "olona fahatelo" sy ho tovona milaza mpampanao; mampiasa s amin' ireo lafiny ireo ny fiteny hafa rehetra. Noho izany, ny fiteny sabeana dia antsoina hoe fiteny h ary ny hafa dia fiteny s.