Fiteny monda

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny monda dia vondrom-piteny aostroaziatika tenenina any India sy any Bangladesy. Ny fiteny mondary sy ny fiteny kôly no fantatra indrindra amin'ireo fiteny monda ireo. Ny fiteny monda dia tenenin'ny olona miisa 9 000 000 any ho any ao amin'ny faritra afovoany atsinanan'i India. Sampana faharoa ao amin'ny sampana roan'ny fiteny aostroaziatika ny fiteny monda, ka ny voalohany dia ny fiteny monknera (ahitana ny fiteny vietnamiana).