Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny inoktitota

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny inuktitut)

Ny fiteny inoktitota, dia anisan'ny fiteny teratany ao Kanada. Io fiteny io dia voapirina ao amin'ny vondrom-piteny inoita; ny fiteny hafa ankohatry ny fiteny inpktitota anatin'io vondrona io dia ny fiteny inopiaka, izay tenenina any Alaska, ny fiteny inuktun - tenenina ao amin'ny faritra avaratra andrefan'i Kanada - ary ny fiteny kalaalisota tenenina ao Groenlanda;.

Fiparitahana ara-jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Eo amin'ny telo alina eo ho eo no isan'ny olona miteny inoktitota, miparitaka eran'i Arktika atsinanan'i Kanada, i Québec (ao amin' ny Nunavik) eo amin'ny nosin'i Baffin ary ao amin'ny Nunavut (izay mampiasa ilay fiteny ho fiteny ofisialy).

Fanoratana

[hanova | hanova ny fango]
Ny silabera Inoktitota

Ny fiteny inoktitota dia soratana amin'ny alalan'ny silabera azy manokana. Noforonina tamin'ny taonjato faha-19 io silabera io, tsy tahaka ireo fiteny teratany any atsimo izay soratana amin'ny alalan'ny abidy latina.

Naniry ny teratany hamorona soratra ny misionera avy any Eorôpa mba hanoloran'ny misionera anjareo ny kristianisma sy ny Baiboly. Ankehitriny, ny Inoita miaina ao Arktika Kanadianina dia mampiasa na ny abidy latina (qaliujaaqpait), na ny silabera noforoniny (qaniujaaqpait). Ny abidy latina no tarehintsoratra nampiasain'ny Inoita voalohany indrindra, tany Groenlanda, tamin'ny taona 1760.

Fitenim-paritra

[hanova | hanova ny fango]

Ao Kanada dia ahitana fitenim-paritra valo ao amin'ny fiteny inoktitota; enina amin'izy ireo no hita ao Nunavut, iray any Nunavik (Québec) ary iray ao Nunatsiavut (Labrador).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Bibliôgrafia

[hanova | hanova ny fango]
  • ((fr)) Ronald Lowe, Analyse linguistique et ethnocentrisme : essai sur la structure du mot en inuktitut, National Museums of Canada, Ottawa, 1981, 126 p.
  • ((en)) Nunavik terminology data base : English-Inuttitut, Avataq Cultural Institute, Inukjuak, 2000, 3 vol.
  • ((en)) Mary D. Swift, Time in child Inuktikut : a developmental study of an Eskimo-Aleut language, Mouton de Gruyter, Berlin, 315 p. (ISBN 978-3-11-018120-3)

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]