Fiteny feroiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny feroiana dia fiteny jermanika ao amin'ny zana-bondrona andrefana ao amin'ny fiteny skandinaviana. Ao amin'ireo nosy Feroe no tena itenenana azy nefa ireo Feroiana ao Danemarka koa dia miteny azy ka manakaiky ny 80 000 ny mpiteny azy. Noho ny tsy fitoviam-panononana misy eo amin'ny fiteny islandey sy ny fiteny feroiana dia tsy mifankahazo fiteny ny mpiteny ireo fiteny roa ireo nefa mitovy ny fanoratana azy.