Fiteny birmana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny birmana dia ao amin'ny fianakaviam-piteny tibeto-birmana. Fiteny ofisialin'i Birmania ny fiteny birmana izay tenin-drenin'ny olona 43 tapitrisa amin'hy 55,7. Nipoitra tamin'ny tany lempona afovoany ao amin'io faritra io ny fiteny birmana, nefa misy fiavahany amin'ny fitenim-paritra birmàna hafa toy ny fiteny rakîna ao amin'ny faritanin'i Arakàna izay tena akaiky ny fiteny intà ao amin'ny farihy Inle izay misy fiavahany aminy bebe kely. Miisa 10 tapitrisa any ho any ny olona miteny birmana ho fitehy faharoa ao Birmania izay manao azy ho fitenin'ny fampianarana.