Fiteny aromaniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny aromaniana na fiteny makedô-romaniana dia fiteny rômana ampiasain' ny Aromaniana any amin' ny tapany atsimon' ny Balkana, ampahany amin' ny tohim-piteny rômana atsinanana. Heverin' ny manam-pahaizana momba ny teny sasany ho fiteny misaraka manokana ny fiteny aromaniana, toy ny fiteny dakô-romaniana (antsoina matetika hoe fiteny romaniana) sy ny fiteny meglenô-romaniana ary ny fiteny istrô-romaniana.

Na izany aza, ho an' ny mpahay teny hafa, dia fitenim-paritra romaniana izy io. Ny hany azo antoka izay eken' ny mpahay teny sy ny mpahay anaran-tany rehetra dia ny hoe ireo fiteny ireo, izay natao ho fiteny mahaleo tena manokana nanomboka tamin' ny taonjato faha-10, dia avy amin' ny fototra rômana iray antsoina hoe prôtô-romaniana, nivoatra avy amin' ny fiteny latinam-bahoaka ampiasaina any amin' ny Saikanosy Balkana sy ny lemak' i Danube Ambany.