Hankany amin'ny vontoatiny

Fitafiana

Avy amin'i Wikipedia
Fiatafiana japôney taloha natao hiarovana amin' ny orana

[1]Ny fitafiana dia fitaovana entina manarona ampahany amin'ny vatan' olombelona. Matetika izy io no vita amin'ny lamba. Miovaova arakaraka ny kolontsaina sy ny fotoana; arakaraka ny safidin'ny tsirairay ny fitafiana anaovana, sy ny antony hanaovana izany.

Hatramin’ny fahagola[2] ny olombelona dia efa nampiasa akanjo avy amin’ny ravina, hoditr’akoho, na hoditra biby mba hiarovana ny vatana. Rehefa nandroso ny teknika famokarana, dia nanomboka nampiasa landihazo, rongony, volon’ondry ary lamba samihafa ny olona.

Karazana fitafiana

[hanova | hanova ny fango]
  • Fitafiana nentim-paharazana: ohatra ny lamba any Madagasikara, ny kimono any Japon, na ny sari any India.
  • Fitafiana maoderina: toy ny akanjo andavanandro, pataloha, akanjo lava, lobaka, sns.
  • Fitafiana ofisialy: akanjo ampiasaina amin’ny fety na lanonana manokana.
  • Fitafiana fiarovana: akanjo miaro amin’ny asa na toe-javatra manokana (ohatra, fitafiana miaramila, mpamono afo, mpitsabo).

Fitafiana sy kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ny fitafiana dia maneho mivantana ny kolontsaina sy ny maha-izy ny firenena tsirairay. Any Madagasikara, ohatra, ny lamba dia manana lanja lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona: ampiasaina amin’ny fiterahana, fampakaram-bady, ary koa fandevenana.

Fanovàna sy lamaody

[hanova | hanova ny fango]

Ny lamaody dia manova ny endrika fitafiana araka ny vanim-potoana, ny fomba fisainana ary ny fandrosoan’ny fiarahamonina. Ny indostrian’ny lamaody amin’izao fotoana izao dia iray amin’ireo sehatra lehibe indrindra eo amin’ny toekarena maneran-tany.

N fomba fitafy [3]any Avaratr'i Madagasikara dia mampiasa ny lambaoany.