Hankany amin'ny vontoatiny

Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Firaisan'ny Skotisma eto Madagasikara)

Ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara dia firaisan' ireo fikambanana skoto telo eto Madagasikara. Tamin' ny taona 1921 no nanombohan' ny skotisma eto Madagasikara izay teo ambany fiahian' ny fikambanana frantsay tandrify azy avy. Niorina tamin' ny taona 1959 ny firaisana sady mpikambana ao amin' ny World Organization of the Scout Movement ("Fikambanana iraisam-pirenen' ny fikambanana skoto") tamin' ny taona 1960. Misy mpikambana skoto miisa 14 905 ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara tamin' ny taona 2011[1].

Ireto avy ny fikambanana ao amin' io firaisana io:

  • ny Antilin' i Madagasikara (katôlika ary zazalahy daholo);
  • ny Kiadin' i Madagasikara (zazalahy sy zazavavy);
  • ny Mpanazava eto Madagasikara sy Tily eto Madagasikara (zazalahy sy zazavavy, Skoto Prôtestanta).

Ireo roa farany ireo dia mikambana ao amin' ny Skotisma Zazavavy eto Madagasikara, izay mikambana koa ao amin' ny Association mondiale des guides et des éclaireuses (anglisy: World Association of Girl Guides and Girl Scouts).

Manomana sy manabe amin' ny fiainana ambanivohitra sady manampy amin' ny fampianarana eo amin' ny fiarahamonina ireo fikambanana telo ireo sady manana foibe maro misahana ny fampandrosoana eny an-drenivohitra sy any amin' ny tanan-dehibe.

Mandray anjara mavitrika amin' ny fanabeazana ny eny ambanivohitra amin' ny fampianarana ny olon-dehibe hamaky teny sy hanoratra ny skoto. Manampy ny olona koa izy ireo raha misy ny loza voa-janahary, manao vonjy aina, mamonjy ny mpamboly raha misy ny tondradrano ary manangona ny omby ho eny amin' ny tany avo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. Archived Septambra 2, 2013 at the Wayback Machine(PDF). World Organization of the Scout Movement. Tahiry tamin'ny 31/08/2012.