Aller au contenu

Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia

Ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara dia firaisan' ireo fikambanana skoto telo eto Madagasikara. Tamin' ny taona 1921 no nanombohan' ny skotisma eto Madagasikara izay teo ambany fiahian' ny fikambanana frantsay tandrify azy avy. Ny firaisana dia niorina tamin' ny taona 1959 sady mpikambana ao amin' ny World Organization of the Scout Movement ("Fikambanana iraisam-pirenen' ny fikambanana skoto") tamin' ny taona 1960. Ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara dia misy mpikambana skoto miisa 14.905 tamin' ny taona 2011[1].

Ireto avy ny fikambanana ao amin'io firaisana io:

Ireo roa farany ireo dia mikambana ao amin' ny Skotisma Zazavavy eto Madagasikara, izay mikambana koa ao amin' ny Association mondiale des guides et des éclaireuses (anglisy: World Association of Girl Guides and Girl Scouts).

Ireo fikambanana telo ireo dia manomana sy manabea amin' ny fiainana ambanivohitra sady manampy amin' ny fampianarana eo amin' ny fiarahamonina sady manana foibe maro misahana ny fampandrosoana eny an-drenivohitra sy any amin' ny tanan-dehibe.

Ny skoto dia mandray anjara mavitrika amin' ny fanabeazana ny eny ambanivohitra amin' ny fampianarana ny olon-dehibe hamaky teny sy hanoratra. Manampy ny olona koa izy ireo raha misy ny loza voa-janahary, manao vonjy aina, mamonjy ny mpamboly raha misy ny tondradrano ary manangona ny omby ho eny amin' ny tany avo.

Jereo koa:

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  1. Archived Septambra 2, 2013 at the Wayback Machine(PDF). World Organization of the Scout Movement. Tahiry tamin'ny 31/08/2012.