Fiarakaretsaka
Fiseho

Ny fiarakaretsaka na taksy dia fiarakodia, amin'ny ankapobeny madinika, atokana ho an'ny fitaterana ny mpandeha sy ny entany manokana, andoavam-bola, ka mametraka azy ireo akaikin' ny toerana tiany haleha (akakin'ny vavahady, akaikin'ny varavarana, sns) araka izay azo atao, fa tsy amin'ny toeram-piatsonana na toeram-pijanonana voafaritra mialoha.
Ny fiarakaretsaka dia fiara mitondra olona manokana, na entana mankany amin’ny toerana hafa. Misy ny sandany aloa ho an'ny mpamily amin'izany fitaterana izany. Zava-dehibe amin’ny fiainana andavanandro ny fiarakaretsaka satria mamonjy amin'ny tampoko, mampifandray toerana, manampy amin’ny fiveloman’ny olona sy ny fivelaran’ny fiarahamonina.