Fiangonana Sisan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana Sisan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, izay antsoina matetika hoe Fiangonana Sisa, dia antokom-pinoana iray ao amin' ny hetsika Olomasin' ny Andro Farany. Ny mpaminany sy filohan' ny fiangonana dia i Terry W. Patience. Antsoina hoe Remnant Church of Jesus Christ of Latter Day Saints na Remnant Church izy amin' ny teny anglisy.