Fasana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fasana dia zavatra naorina mba hiarovana ny toerana nandevenana na nanafenana ny maty. Araka ny finoan' ny olona sasany, isan' izany ny Ntaolo malagasy, dia io no toerana hita maso izay sady mampahatsiahy ny fahafatesana no mampifandray ny tontolon' ny velona sy ny tontololon' ny maty koa. Ao no itoeran' ny razana amin' ny androny sisa rehetra.