Fantsomben' etona

Avy amin'i Wikipedia
Saika milevina foana ny fantson' etona, saingy mety hihantona izany amin' ny toerana sasany.

Ny fantsomben'  etona na fantson' etona dia fantsona natao hitaterana etona nafintina amin' ny alalan' ny tsindry, indrindra ny akoranafo (na hidrôkarbiora).

Ny ankamaroan' ny fantson’ etona dia mitondra etona voajanahary avy amin' ny toeram-pitrandrahana mankany amin' ny toeram-pafanjifana na toeram-panondranana. Tombanana ho iray tapitrisa kilômetatra ny halavan' ny fantson' etona eran-tany, mihoatra ny 25 heny noho ny manodidina ny Tany.

Ny fantson' etona dia eny an-tanety ny ankamaroany, milevina eo amin' ny halalina iray metatra eo ho eo amin' ny toerana misy mponina, na apetaka ambonin' ny tany any amin' ny tany efitra na any amin' ny faritra misy tany mafy, na mihantona. Ny savaivony dia miovaova eo anelanelan' ny 50 mm sy 140 sm ho an' ny lehibe indrindra. Na izany aza, ny fahamainan' ny loharanon-karena akaiky sy ny fitomboan' ny halaviran' ny faritra fitrandrahana dia nitarika ny fametrahana fantsone' etona ambany ranomasina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]