Fanoroana:Fanovana pejy an-tsary

Avy amin'i Wikipedia

Ity pejy ity dia manoro anao an-tsary hoe ahoana no manova pejy iray. Eo ambonin'ny sary ny famisavisana no atao.

Dingana voalohany : Mahita ilay teny diso tsipelina[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny lahatsoratra manana lohateny fiteny thai, dia misy teny iray diso tsipelina ka tiana hotsaraina. Rehefa hitsara azy, dia tadiavina ilay bokotra hanova eny an-tampon'ny pejy.

Dingana faharoa : Manitsy ilay teny diso tsipelina[hanova | hanova ny fango]

Karohana ao amin'ny efa-joro fanovana ilay teny hita diso tsipelina. ka rehefa hita ilay izy dia ahitsiana.

Dingana fahatelo : Hitahiry ilay fanovana natao[hanova | hanova ny fango]

Rehefa vita ny fanitsiana isan-karazany, dia tsindriana ilay bokotra misy soratra hoe tehirizo eo ambanin'ny efa-joro fanovana (fenêtre de modification).

Dingana fahaefatra : Mijery ny fanovana nataonao[hanova | hanova ny fango]

Efa nalefanao ny pejy, ka hiseho afaka segondra vitsivitsy ny pejy novainao miaraka amin'ny fanovana nataonao.

Voaova soa aman-tsara ilay pejy ! Ovay ny pejy dia aitaro izy !