Fanoroana:Famoronana takelaka vaovao

Avy amin'i Wikipedia

Ity Firaketana wikipedia amin'ny teny malagasy ity dia natao indrindra mba ho azon'ny rehetra ampiana sy fenoina. Noho izany dia tsy voafetra ny fanoratana. Azonao jerena ny Fototra dimy izay ahitana ny mombamomba ny Firaketana.



Hanitsy na hanova takelaka efa misy[hanova | hanova ny fango]

Alohan'ny hamoronana takelaka vaovao dia jereo ihany aloha sao dia efa misy ilay takelaka hoforoninao... na koa misy mitovitovy aminy. Jereo etsy amin'ilay hoe Tadiavo etsy ankavia.

Raha toa ka efa misy ilay takelaka dia azonao ovaina. Jereo ery ambony fa misy soratra hoe ovao dia ao no fanovana ilay takelaka.


Hamorona takelaka vaovao[hanova | hanova ny fango]

Ny fomba tsotra indrindra hamoronana takelaka vaovao dia ny mamangy ny takelaka toa izao

Anaran'ny takelaka

Soloy takelaka vaovao ilay hoe Anaran'ny takelaka

Rehefa manoratra ianao ka ataonao ao anaty [[ sy ]] dia midika izay fa mirohy amina takelaka io teny io. Raha efa misy io teny nofonosanao tao anaty [[ sy ]] io dia tonga dia azo sokafana. Raha mbola tsy misy io dia azonao foronina rehefa manindry eo amboniny ianao.

Ohatra

Ny takelaka hoe Wikipedia dia efa misy ary ny takelaka hoe Tsy wikipedia dia mbola tsy misy.