Fanoheram-panavaozana
Apparence
Ny Fanoheram-panavaozana dia hetsika nentin' ny Eglizy Katôlika namaly ny Fanavaozana prôtestanta tamin' ny taonjato faha-16. Niseho tao anatin' ny hetahetam-panitsiana sy fanavaozana ara-pivavahana nahazo ny Andrefana amin' izao tontolo izao kristiana ny Fanoheram-panavaozana, izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-15. Namaly amin' ny ampahany ireo tanjon' ny Eglizy Katôlika izay mikendry ny hametra ny fielezan' ny prôtestantisma izany hetsika izany. Izany dia nahafahan' ny Eglilzy Katôlika nahazo fiasana ara-panahy sy ara-pitaovana mba hanombohana ny famerenana indray amin' ny ampahany ny faritra azon' ny prôtestantisma, sady hanombohan' ny fihavaozana ara-pivavahana indray.